Misy faritra na toerana izay mbola vitsy ny mahalala azy eto amin’ity Nosy Madagasikara ity. Toerana mahafinaritra kanefa manan-tantara ihany koa, ary heverina fa mety ho anisan’ireo azo trandrahana mba hampidi-bola ho an’ny firenena. Ampahafantarina anao eto àry ny sasantsasany amin’ireo toerana ireo.
FARIHIN’I NARINDRA

Ny farihin’i Narindra (na ny baie de Narindra) dia farihy midadasika ao amoron-tsiraka avaratra andrefan’i Madagasikara, amin’iny lakan-dranon’i Mozambika iny.
Mirefy 45 km ny halavany ary 10 km ny sakany. Mahatratra hatramin’ny 60 m kosa ny halaliny.
Ny morony andrefana dia misy toeram-panjonoana ary ahitana ny tanànan’ny mpanjono.
Na dia tsy misy aza ny làlana ahatongavana ao dia betsaka kosa ny mponina miaina ao. Manana faritra voajanahary manokana, izay tena tokony harovana i Narindra.
Eo atsimon’i Narindra no misy ny farihin’i Morambe. Na izany aza, tsy manana fifandraisana izy ireo.
Eo avarany kosa ny fidirana an-drano, fantatra amin’ny hoe Analalava, izay misy nosy madinika, ka ny lehibe indrindra amin’izany dia i Nosy Lava, izay nalaza amin’ny fandraisana ireo gadra.

Ny hasarobidiny
Manan-danja amin’ny hasarobidiny, izay tokony ho vokarina ny farihin’i Narindra :
Akaikin’ny fivezivezen’ny sambo no misy azy. Koa raha misy ny fanamboarana seranana dia azo atao tsara ny miditra ao. Azo atao tsara, noho izany, ny mametraka andian-tafika manara-maso ny fifamoivoizan’ny sambo eny, mba iadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna.
Efa nisy ny tetikasa ny amin’ny hanorenana seranana, tamin’ny andron’i Philibert Tsiranana, izay nokasain’i Afrika Atsimo, saingy tsy tontosa izany. Taorian’izany indray ny Japoney, izay tsy nahatanteraka ihany koa.
Betsaka ny asa azo trandrahina eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Anisan’izany, ohatra ny jono ara-panatanjahantena. Azo tsidihina tsara koa ny tanànan’ny mpanjono Komajara, eo andrefan’ny farihin’i Narindra, izay tsy dia ahitana sambo firy. Betsaka kosa ny botry, izay hany fitaovam-pifamoivoizana eny amin’ny manodidina.
Misy ny tetikasa
Nisy ny fikasana iraisam-pirenena hanao zavatra mifanaraka amin’ny toetrandro eny, ny taona 2017. Anisan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny Sinoa mikasika ny fananganana seranana eo amin’ny farihin’i Narindra. Asa na ho tanterahin’ny Fitondrana ankehitriny izany na hijanona ho tetikasa fotsiny ihany.
Eo ihany koa ny tetikasa hampiasana ny tany tsy fahita firy, amin’iny faritra iny, izay atahorana hisy fiantraikany amin’ny tontolo iainana. Eny amin’ny tendrony avaratra- andrefana, mifanatrika amin’i Nosy Be, no kasaina hanaovana ny fitrandrahana.
Mitahiry akora sarobidy manko ao ambanin’io tany io. Akora izay ilaina fatratra amin’ny teknolojia ankehitriny, izay hanaovana finday, solosaina na GPS,… ohatra. Ilaina amin’ny fitaovam-piadiana, toy ny bala afomanga, na sambon-danitra na fiaramanidina,…ihany koa ity karazan-tany ity noho ny akora sarobidy ao aminy, izay mahatanty hafanana.
Efa nisy ny orinasa alemana Tantalus sy ny mpiara-miasa aminy TREM, izay efa nahazo 300 km² amin’io tany io. Efa mandeha ny fanandramana ka raha mety izany dia hisy ny fahazoan-dàlana hitrandraka, izay haharitra 30 taona.
Fehiny
Manana hoavy mamiratra eo amin’ny sehatry ny toekarena ny farihin’i Narindra. Mila fantarina anefa raha afaka mifandray ireo tetikasa ireo (seranana, fizahantany, fitrandrahana tany,…). Ho sorona indray manko ny tontolo iainana raha tsy azo atao ireo fitrandrahana ireo.
TANJONA BOBAOMBY

Eny amin’ny tendrony avaratry ny Nosy iny no misy azy. Atsimo andrefan’ny ranomasimbe indiana, 70 km miala an’Antsiranana.
Mifanila amin’ny kaominin’i Joffreville no ahitana ilay ala-javaboahary malaza. Izy manko no ala-javaboahary voalohany hita teto Madagasikara, ny taona 1958 ary manana toerana mando mitahiry ireo karazan-javamaniry sy biby tsy fahita firy manerana izao tontolo izao.
An’arivony ny karazan-kazo ao ary misy ny tena sarobidy tokoa.
Ny misy azy
Voadidin’ny kaominina Antsahampano, Mangaoka, Andranofanja, Bobakilandy, Mosorolava, Ambondrona, Anivorano Avaratra, Antsalaka, Mahavanona, Anketrakabe, Sakaramy, ary Joffreville ity tanjon’i Bobaomby ity.

Ahitana toeram-pitsangatsangana sy mahavariana miisa 18 eo ao amin’ity ala ity. Anisan’izany ny riandrano masin’Antakarana sy Antomboka, ny « làlan’ny hazo arivo », ny farihy miisa 6 ao aminy,…ankoatra ny havoana manana ahavo 1.119 metatra, izay ahatazanana an’i Bobaomby, ny Cap Diégo, ny tendrombohitry ny Frantsay sy ny tanànan’Antsiranana, ny ranomasimbe indiana sy ny lakandranon’i Mozambika.
Maro zavamaniry
Mirakitra zavamaniry sy hazo sarobidy, toy ny ravinala, cycas, ficus, orchidées,…ny velarana 23.210 ha ananan’i Bobaomby.
Azo tsidihina mandava-taona ity ala-javaboahary ity, saingy tsaratsara kokoa ny volana septambra hatramin’ny novambra.
Mahafinaritra ery ny mamakivaky ny aloky ny hazo rehefa avy ianjadian’ny masoandro mamaky lohasola, izay tena ankifizin’ny mpitsangatsangana.
23.000 ha ny velaran’ny ala ka ny 18.000 ha amin’izany no nokilasiana ala-javaboaharim-pirenena, izay azo tsidihina tsara koa. Ny ambiny kosa dia nosokajiana ho Tahiry Manokana, ka natokana ho an’ireo mpandala ara-tsiansa.
Misy karazam-biby
Karazam-biby maro koa no miaina ao Bobaomby. Miisa 75 ny karazam-borona ao ary 7 kosa ny karazana gidro. Ny biby mandady kosa dia misy karazany 59.
Ao ihany koa no ahitana ny tanalahy kely indrindra, izay tahaka ny ratsa-tànana ny habeny.
Fahafinaretan’ny mpanjono indrindra koa eny amin’ny tanjon’i Bobaomby, satria hitoeran’ny langouste sy ahitana karazan-trondro maro ary soka-dranomasina.
Azo ilomanosan’ny vao mianatra saingy tsy azo ampiasaina rehefa tonga ny rivo-maherin’avaratra, fantatra amin’ny hoe Varatraza.
Maha te-hizaha amin’ny alina
3 km miala ny tanànan’i Joffreville no misy ny fidirana ao amin’ity ala-javaboahary ity. Ny septambra sy oktobra ary novambra no tsara manao fitsidihana eny. Saro-dàlana izy amin’ny fotoan’ny orana. Tongan’ny taksibrosy ihany anefa eny, ka somary mandeha an-tongotra kely dia tonga.
Vita indray andro maninjitra ny fitsidihana eny, saingy tsara ny fijanonana any amin’ny alina raha te-hijery ireo biby tsy mivoaka andro, toy ny tanalahy sy ny gidro.
MASOALA

Mamaritra ny Avaratra-Atsinanan’i Madagasikara i Masoala, izay voafetran’ny Baie d’Antongil , raha avy aty andrefana ary ny ranomasimbe indiana kosa raha avy aty atsinanana.
Anelanelan’ny Faritra SAVA sy Analanjirofo no misy azy ary manana velarana eo amin’ny 230 000 ha eo. Izy no alan-javaboahary lehibe indrindra eto Madagasikara.
Saro-dàlana ny mankao Masoala, hany ka tsy misy loatra ny fandravan’ny afo azy, saingy ny fitrandrahana ireo hazo sarobidy ao aminy no atahorana hanimba azy.

Ireo harena ao aminy
Mitahiry karazan-gidro maki 9 tsy fahita manerana izao tontolo izao i Masoala. Ao ihany koa ireo karazam-biby samihafa, toy ny tanalahy sy ny vorona mahagaga.

Eo indrindra koa ireo biby an-dranomasina, izay ahitana karazan-trondro miisa 300, sy ny akoran-driaka, ny « concombre de mer » ary ny atsantsa.
Ny mponina ao aminy
Manodidina ny 80.000 ny mponina mipetraka eny amin’ny manodidina ity alan-javaboahary ity. Ny fambolem-bary no anisan’ny fiveloman’ny mponina ao. Ny mponina izay ny Betsimisaraka no maro an’isa.
Ahiana
Tahaka ny firenena maro dia manan-danja lehibe amin’i Madagasikara ihany koa ny ala. Saingy ho an’i Masoala dia atahorana, noho ny halatra ny andramena (na ny bois de rose) sy ny hazomainty (na ny bois d’ébène). Tsy ampy fitaovana anefa ny mpitandro filaminana sy ny mpiandry ny ala ka tsy mahatohitra ny olon-dratsy.
Ahiana ihany koa ny fihazana ireo maki ao amin’io ala io.


