TRANO FONENANA HO AN’NY REHETRA : Hiainga ny « building »

Trano avo miisa 10, misy rihana 4, ahitana fonenana 15 avy no hanombohana ny tetikasa ao Mahajanga ho fanatanterahana ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena hanatontosana trano miisa 30.000 ao anatin’ny dimy taona.

Koa hahazo amin’ireo « building » ireo ny mpiasa ambony tanora  latsaky ny 35 taona.
Herintaona ka hatramin’ny herintaona sy tapany eo no hanatanterahana izany asa izany, eo amin’ny velaran-tany iray Ha. Tany izay nomen’ny kaomina hanatanterahana ny asa.

Amborovy ihany koa no hanorenana ny « trano mora » miisa 30, fantatra amin’ny hoe type F3 ka ho vitaina ao anatin’ny roa volana sy tapany izany. Natokana ho an’ireo kely fidiram-bola izany fonenana izany, ka mitentina 100.000 Ar no vidiny. Santatra ihany izao fa 200 no  isan’ny vinavina hatao amin’izany. Tsy hijanona ny asa fa raha vao vita ny eo dia mitohy hatrany ny fananganana, izay haorina amin’ny toerana azo hanaovana fambolena ihany koa.

EPP manara-penitra

Ankoatra ireo dia hisy ny fanorenana sekoly EPP ao Mahajanga, izay hahitana trano fisakafoanana (   na cantine) , trano famakiam-boky sy toeram-pitsaboana ary fiantsonan’ny fiara. Heverina haorina haingana araka izay tratra izany ka handray mpianatra miisa 600 ireo efitra 12 hisy ao aminy.
Tontosa ny maraina teo ny fametrahana ny vatofehizoron’ireo tetikasa ireo.
Nojerena ihany koa ny olan’ny famatsian-drano any an-toerana ka hanaovana tetikasa amin’ny fametrahana siniben-drano goavana mba hamatsiana ny fokontanin’Amborovy sy henti-manatsara ihany koa ny fambolena hatao eo an-toerana.
Marihina moa fa ny orinasa Seimad no hiara-hiasa amin’ny Fanjakana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa rehetra ireo.

Vous aimerez aussi