Ho betsaka hatrany ny rotsakorana manerana ny faritra maro manerana ny Nosy hatramin’ny faran’ny herinandro izao, satria ao anatin’ny fahavaratra tanteraka isika.
Ny manodidina ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy no saika ho maina ny andro. Ny Faritra sisa rehetra kosa dia hisy oram-baratra mety arahin-tafiotra indraindray.
Ho betsaka tokoa, araka izany, ny rotsakorana any amin’ny Faritra Melaky, Boeny, Betsiboka, hatrany Alaotra. Toy izany koa ny Faritra Analamanga.
Koa hanjombona hatrany ny andro ny maraina, saingy mety hisava miandalana ihany izany.
Hahatratra 17-20 °C kosa ny maripana ambany indrindra ary 26-30°C kosa ny maripana ambony indrindra, aty amin’ny faritra afovoan-tany.
Ny Faritra Atsimo Andrefana kosa dia hananika hatramin’ny 30-34°C.
Ny Alatsinainy any vao heverina hisava ny andro manjombona.
Ilaina, noho izany, ny fahavononan’ny rehetra amin’ny aron’akanjo sy ny elo ho fitsinjovana ny fahasalamana. Eo indrindra koa ny fahamailona amin’ny loza mety hitranga, toy ny fihotsahan’ny tany, ny fianjerana anaty « dalle » tsy misarona, satria miakatra izaitsizy ny rano noho ny tsy fahampian’ny fantsona mitondra azy.


