Taorian’ny matso teo Mahamasina : Olona 16 no namoy ny ainy, 90 naratra mafy

Miisa 16 ireo olona namoy ny ainy. 90 kosa ireo naratra voatery naiditra hopitaly. Izany no vokatry ny fifanosehana nitranga teo amin’ny vavahadin’ny kianjaben’i Mahamasina ny takarivan’ny 26 Jona lasa teo.


Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva teo ho eo no efa nahitana olona maro dia maro niandry tety ivelan’ny kianja mba hijery « podium ». Vao nisokatra anefa ny vavahady tokony hivoahan’ireo avy nijery matso dia nibosesika hiditra avy hatrany koa ireto nilahatra tety ivelany, izay efa niandry ela tokoa. Vokany : fifanosehana, fifanjevoana, fifanitsahana,…no nitranga. Tsy vitsy ireo nianjera ka voahosihosy hatreny an-dohany ka nahatonga ny fahafatesany. Maro koa ireo voahitsaka ka nahatonga fahatapahan’ny tongotra aman-tànana. Toy izany koa no nahazoan’ny hafa ratra samihafa teny amin’ny vatany.
Araka ny tatitry ny tao amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona dia miisa 5 ireo olon-dehibe namoy ny ainy. Izay anisan’izany ny vehivavy iray niara-maty tamin-janany 4 taona, ka ny rainy sisa velona. Ny sisa kosa dia tanora sy ankizy manodidina ny 16 taona eo.
Nisy telo tamin’ireo naratra mafy no tsy maintsy nandalo fandidiana, ny takarivan’iny ihany. Maro ihany koa anefa no afa-namonjy fodiana rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Arak’izany dia 38 sisa no tsy maintsy notanana eny amin’ny hopitaly, noho ny fitsaboana mety haharitraritra.

Fifanampiana

Ankoatra ny mpitatitra marary izay efa vonona amin’ny fotoan-danonana tahaka ireny dia nanome fanampiana be dia be tamin’ny famonjena ireo niharam-boina koa ireo fiara vaovaon’ny mpitandro filaminana.
Marihina moa fa ny Fitondram-panjakana izay efa tonga nampahery teny an-toerana no hiantoka ny lany rehetra amin’izao voina izao.
Tsy diso anjara tamin’izany koa ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.

Vous aimerez aussi