TAKIANA NY « ILES EPARSES » : Tsy ho tompony mangataka atiny ny Malagasy

Ho  « Iles Malagasy de l’Océan indien ». Io no tanjona hiantsoantsika ireo Nosikely manodidina an’i Madagasikara.  Ny alatsinainy 18 desambra ho avy izao tokoa manko no hivory eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny vaomiera momba ny îles Eparses. Ilaina, noho izany ny famondronana ny hery eto anivon’ny firenena satria tsy hanaiky mora ny hakantsika izany ny Frantsay.

Zava-dehibe ny fivondronantsika malagasy, ka hirosoana ho amin’ny tombontsoam-pirenena. Entanina, araka izany, ny tsy hisian’ ny adilahy politika, ka tsy hitodika amin’ny lasa tsy mitera-bokatsoa ho an’ny firenena fa hiara-hijery sy hibanjina  kosa ny hamondronana ny hery ho amin’ny firaisankina.

Haparitaka ny hevitra

Haneho hevitra ao anatin’ny fandalinana ireo manam-pahaizana, mpahay tantara, amin’ ny haino aman-jery samihafa sy amin’ny tambajotran-tserasera.Tokony hajanona ny resaka politika fa  atambatra kosa ny hery hiady ho an’ity Nosy malalantsika ity.

Tsiahivina fa efa nisy ny fifampidinihana ny taona 1990 sy 2016, saingy tratran’ny tsindry avy amin’ny Frantsay izany ka rava hatrany.

Amin’ity indray mitoraka ity, dia hisy ny fivoriana iraisan’ny vaomiera roa tonta, izay hatao  ny alatsinainy 18 novambra ho avy izao. Koa tsy hihemotra isika Malagasy fa hiady hatramin’ny farany.
Hotononintsika ny hoe « Iles malagasy de l’Océan Indien » manomboka izao fa tsy Iles Eparses intsony. Koa firaisankinam-pirenena no haseho sy haderadera ny alatsinainy izao.

Ampirisihana, noho izany, ny fananganana ny sainam-pirenena manerana an’i Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo, ka hanemitra  ireo làlana miakatra eny amin’ny Tanàna Ambony (Haute-Ville) mankeny Andafiavaratra izany.

Ireo solontena Malagasy

Handresy lahatra mandritra izao dinika hifanaovana amin’ny Frantsay izao ireo solontena manam-pahaizana malagasy, izay tarihin’ny  Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Hifarimbona hiaraka aminy amin’izany ny Profesora Raymond Ranjeva, Mpahay Lalàna sady Filohan’ny Akademia Malagasy ary efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena sy tany ivelany. Ny Vice-amiral Louis Antoine de Pädou Ranaivoseheno, sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Andrianantenaina, tale jeneralin’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF), ny Dr. Tehindrazanarivelo Djacob Liva, mpampianatra Lalàna Iraisam-pirenena, ny Lalàna afrikana any amin’ny Oniversiten’i Soisa. Efa nandray anjara tamin’ny famahana olana maro taty Afrika ihany koa izy.

Antenaina fa haharesy lahatra ireo frantsay ireo solontena malagasy ireo ka mba tsy ho tompony mangataka atiny isika.

Vous aimerez aussi