Na dia efa nisy aza ny dinika nifanaovana tamin’ny Praiminisitra dia mbola hitohy hatrany ny fitokonana, saingy hahemotra amin’ny fotoana manaraka izany. Anisan’ny fanambarana nataon’ny avy amin’ny Sendikan’ny Mpampianatra mpikaroka izany, manoloana ny fitakiana tsy mbola voavaha ataon’izy ireo.
Noho ny raharaham-pifidianana dia nanolo-kevitra ny amin’ny tokony hanemorana ny fotoana hiresahan’ireo mpampianatra amin’ny mpianatra ny Praiminisitra, araka ny fanazavana nataon’ny Filohan’ny Seces, sampana Antananarivo.
Marihina moa fa nisy avy hatrany ny vaha-olana natolotry ny Praiminisitra nandritra ny nandraisany ireto mpampianatra ireto. Miandry ao aoriana kely kosa anefa ny olana hafa, izay miankina amin’ny Ministera tompon’andraikitra sy ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanambola ny famahana azy.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

