SAMBO MITONDRA SOLIKA : Nigadona ao Toamasina

Nigadona ao Toamasina vao maraina teo ny sambo Gulf Coral izay mamatsy ny solika ho an’i Madagasikara. Araka ny fantatra dia lasantsy 17.100.000 litatra, gazoala 52.200.000 litatra ary solika fandrehitra 2.600.000 litatra no nentin’io sambo io ho antsika.

Efa eo am-pamindrana ireo solika ireo ny tompon’andraikitra sy ny teknisiana momba izany io maraina io, ka ny folakandro dia efa hitatitra izany ireo fiara vaventy natokana ho amin’izany.
Araka ny fanambarana dia ampy ho an’ny mpanjifa mandritra ny iray volana ireo famatsiana ireo.

Raha ny marina moa dia ny 15 oktobra teo no tokony ho tonga teto amintsika ity sambo ity, saingy noho ny olana mitranga ao Moyen Orient no anton’ny fahatarana.

Tokony hisy tahiry hatrany

Araka ny filazana dia tokony hanana tahiry 15 andro ny mpaninjara solika raha araka ny lalàna. Saingy noho izao fahatarana 10 andro izao no fototry ny olana, izay nitrangan’ny filaharana manerana ny tobin-tsolika, nandritra ny andro vitsivitsy teto an-drenivohitra.

Na izany aza, noheverina ho ampy ihany izany tahirin-tsolika izany, saingy noho ny ahiahin’ny mpanjifa dia tsy vitsy no nividy solika mihoatra noho ny fividiny mahazatra. 
Heverina, araka izany, fa hivaha tanteraka ny olana ara-tsolika ka afaka mividy izay fatra tiany ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi