RODOBEN’NY MPANOHITRA : Hanao fanambarana lehibe rahampitso

Tsy mijanona amin’ny raharaham-pifidianana intsony ny hitondran’ny Rodoben’ny Mpanohitra (na ny RMDM) ny hetsika ataon’izy ireo, etsy amin’ny Magro Behoririka fa hitatra amin’ny lohahevitra maro misy eto amin’ ny fiainam-pirenena. Anisan’izany ny tsi-fahalavorarian’ny famatsian-jiro sy rano, ny tsi-fandriampahalemana, ny olan’ny Oniversite, nyraharaha Ambohitrimanjaka,…

Sosialim-bahoaka

Nasian’ny Pasitera Tsarahame Edward teny tamin’izany ny mikasika ny tsi-fandriampahalemana, ny sosialim-bahoaka, ny krizy eo amin’ny andrimpanjakana,… Koa miantso ny vahoaka malagasy rehetra izy mba ho tonga etsy amin’ny Magro, amin’ny 11 ora tsy diso fa hisy ny  fanambarana lehibe mikasika izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao.

Mila hazavaina amin’ny vahoaka

Mikasika ny raharaha Ambohitrimanjaka kosa no nitondran’ny Mpahay lalàna, Arlette Ramaroson, teny.  Atambatra ny hery, hoy izy, amin’ny fitakiana mikasika ny raharaha Ambohitrimanjaka. Tokony ho lazaina amin’ny vahoaka ihany koa ny  momba ny lalàna iraisam-pirenena, hoy izy, ahazoany maka fepetra, kanefa tsy nisy izany, ka voahitsakitsaka ny fombafomba rehetra tokony hatao amin’ny fakana ny tanin’izy ireo. Fakan-tany izay tokony ho foanana tanteraka.

Fampanantenana paokaty

Tsy mbola hita taratra ny vaha-olana entin’ny mpitondra amin’ireo toe-javatra  mankarary ny vahoaka ankehitriny, hoy izy ireo. Zary resabe fotsiny ny fampielezankevitra nefa efa ho herintaona izao ny nandraisana ny fahefana. Tsy vitan’ny tee-shirt sy ny vary mora anefa ny fiainam-bahoaka !

Vous aimerez aussi