RIVO RAKOTOVAO : Tsy olana na ravana aza ny Antenimierandoholona

Tsy manana olana aho na ravana izao dia izao aza ny Sénat, fa tokony ho ao anatin’ny fanarahan-dalàna kosa no anaovana izany. Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao izany, raha nivahiny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izy.

Nofaritany fa tsy fananana ao an-trano io fa Fitondram-panjakana ka ilana fanarahan-dalàna.   Misy ny lalàna tokony harahina amin’izany fandravana Andrimpanjakana izany fa tsy orinasa kely io akory na dia ny Filoham-pirenena aza no manao izany.

Nampahatsiahiviny fa ny Antenimierampirenena no azony ravana fa tsy ny Sénat. Kanefa moa raha izay no fantany fa mahasoa dia aoka hataony fa tsy hitarika ny olona hitokona eny an’arabe akory ‘zahay.

Tany tan-dalàna

Nanao fanakianana ny Fitondram-panjakana sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hatrany ity Filohan’ny Antenimierandoholona ity, ny tamin’ny fanendrena Governora. Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenantsika iny, hoy izy, kanefa izay no didy dia nangina ‘zahay.

Na izany aza, tokony hijoroana ny maha tany tan-dalàna. Koa ‘ndao hanara-dalàna amin’ny fametrahana ny rafitra.

Vous aimerez aussi