Ny famehezana ny pesta sy ny fitandroana ny mety hidiran’ny valan’aretina Ebola eto amintsika. Ireo no nibahanan’ny dinika nifanaovan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra hafa, toy ny minisitry ny fahasalamana, ny minisitry ny atitany, ny minisitry ny fizahantany ary ny eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (na ny OMS), ny 22 jolay teo tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo..
Nisy ny fandinihana ny tetika sy ny fandaminana hisorohana izany valan’aretina izany satria efa akaiky ny fotoana mampirongatra io aretina pesta io, noho ny fahatongavan’ny orana atsy ho atsy, ohatra. Nojerena, noho izany, ny fitaovana, ny tokony ho fanentanana, ahazoana miomana sy misoroka izay mety ho fahavoazana.
Nentaniny ny rehetra mba hiady amin’ny fandoroana tanety sy ny firongatry ny voalavo ahafahana mifehy ny valan’aretina pesta amin’ity taona ity.
Ho fehezina ny valan’aretina Ebola
Mikasika ny aretina Ebola kosa dia efa misy ny fepetra noraisina ny amin’ny fandraisana ireo vahiny miditra eny amin’ny seranan-tsambo na seranam-piaramanidina.
Nambaran’ny Praiminisitra fa efa vonona ihany koa ny fanafody sy ny toerana na hopitaly hasiana ny marary raha sanatria misy ny fahatongavan’ny aretina eto amintsika. Ary homanina amin’ny fanazaran-tena ihany koa ireo tompon’andraikitra mpitsabo, amin’ny herinandro ho avy.
Efa tafapetraka eo anivon’ny ministera rahateo ny rafitra rehetra mandrindra ny asa rehetra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

