Miverina amin’ny laoniny ny fanamboarana ny « carte grise » ho an’ny fiara sy ny fahazoan-dàlana mitondra fiarakodia (na permis de conduire) biometrika, etsy amin’ny foibe misahana izany, etsy Ambohidahy. Nampahafantarin’ny tompon’andraikitra izany, noho ny fisian’ny fiatoana nandritra ny andro maromaro, satria nisy ny olana teo amin’ny tambazotra (na ny réseau) miandraikitra ny « internet ».
Karatra 30.000 sy 15.000
Tsaho ihany, araka izany, no nandeha, hoy ny tompon’andraikitra, ny amin’ny filazana fa tsy nahazo vola avy amin’ny fanjakana ny orinasa mpanao ity karatra ity ka nampiato ny asany. Na koa lany ny karatra tahiry.
Fanamarihana izany ny nahavitana « permis de conduire » miisa 30.000 sy ny « carte grise » miisa 15.000 nandritra ny volana jona 2019 ka hatramin’ny novambra teo. Entanina, araka izany, ireo nanao izany mba haka ny karany izay efa vita. Entanina tahaka izany koa ireo izay tsy mbola nahavita izany, satria mahatody hatramin’ny 2023 ny tahirin-karatra ao.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

