«Ireo Filoha roa tonta, malagasy sy frantsay, ihany no tompon’ny teny farany amin’ny fanohizana ny dinika momba ireo Nosy Eparses ». Fanambarana nataon-dRtoa Veronique Vouland Aneini, Masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika izany, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny alarobia faha-19 jona lasa teo. Fihaonana izay nentiny nanaovana tatitra noho ny fitsaharany amin’ny asany eto Madagasikara, izay nahavitany 4 taona.
Nambarany ihany koa fa efa miroso ny fananganana ny vaomiera iombonan’i Madagasikara sy Frantsa, mikasika ireo Nosy Eparses ireo.
Anisan’ny nanaovany tatitra ihany koa ny mikasika ny fandriampahalemana, indrindra ny amin’ny fakana olona an-keriny, izay anisan’ny nisy lasibatra tamin’izany ny teratany frantsay. Efa nisy ny ezaka, hoy izy, ka efa tsy nisy firy intsony izany tao ho ao. Lesoka ho an’ny fitondram-panjakana malagasy, hoy hatrany izy, ny tsy nisian’ny tetika maty paika namongorana izany. Nomarihiny moa fa maro ny Frantsay monina eto Madagasikara ary an-jatony ireo mpandraharaha frantsay miasa eto Madagasikara.
Teo amin’ny fiaraha-miasa kosa no nanambarany fa nanampy antsika tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena i Frantsa ka nandrotsaka ny fanampiany tao amin’ny kitapo iombonana.
Tsy diso anjara tamin’ny fanampiana iadiana amin’ny kolikoly ihany koa ny Frantsay.
Ary mikasika indrindra ny fotoam-pankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izao dia hisy miaramila frantsay handray anjara amin’izany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

