Noho ny tsy fandraisana andraikitra dia nesorin’ny Ben’ny Tanàna, Naina Andriantsitohaina, avy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina ( na ny chef de corps), ny alahady lasa teo.
Noho ny fihontsanan’ny tany teny Avaradoha, ka nahakasika trano fonenana maromaro, ny androtr’io alahady lasa teo io dia niantso vonjy tamin’ny « pompier » ny fokonolona, kanefa tsy tratra antso ny « chef de corps ».
Raha ny tokony ho izy anefa dia manana fahavononana hatrany ny mpamonjy voina, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao, saingy tsy izay no zava-nisy.
Teny Tsaralalàna ny Ben’ny Tanàna
Raha vao nandre ny fitarain’ny fokonolona momba izany ny Ben’ny Tanàna dia nihazo avy hatrany ny foiben’ny mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna ka nampandray andraikitra ireo « pompiers » tao. Nanaraka ireo mpamonjy voina ka nitondra fanampiana ho an’ireo traboina avy hatrany koa ny Ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy vitsivitsy.
Koa manoloana ny toe-java-nisy dia natsahatry ny Ben’ny Tanàna avy hatrany tamin’ny asany ny « chef de corps ».
Naneho fialan-tsiny ho an’ireo mponina traboina ihany koa ny Ben’ny Tanàna, izay nanipika fa tsy hiverina intsony ny toe-javatra tahaka ireny.
Tsy fandraisana andraikitra
Tsy misy andraso andraso ny fomba fiasan’ny Ben’ny Tanàna vaovao. Tokony ho vonona mandrakariva amin’ny andraikiny ny tsirairay. Anisan’izany itony asa vonjy voina itony, izay tokony ho vonona mandrakariva amin’ny fotoana rehetra na tsy fotoam-pahavaratra aza.
Tsy ny vahoaka sasany ihany no zatra ny gaboraraka fa ny tompon’andraikitra ambony sasany tahaka izao koa. Ben’ny Tanàna vaovao anefa mira fiasa vaovao. Raha tsy izany, tsy hisy mihitsy ny fiovana ho amin’ny fandrosoana.


