NITOMBO AVO ROA HENY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Haverina ny zandary eny an-dàlambe

Hiverina handrindra ny fifamoivoizana indray ny zandary miasa eny an-dàlana. Fanapahan-kevitra voalaza io maraina io izany. Tsotra ny antony : miha-maro ny lozam-pifamoivoizana nandritra ny fampiantoana ity fandrindrana ity ka ilaina ny famerenana ireo mpitandro filaminana ireo mba hanara-maso sy hisorohana na hampihena ny loza.

Nitombo ny lozam-pifamoivoizana

Ny 95%-n’ny loza dia avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily avokoa ary miisa 226 ny aina nafoy tamin’ity taona ity. Izay nitombo avo roa heny raha ampitahana tamin’ny taon-dasa, izay miisa 152.

Manoloana izany dia manana andraikitra ireo zandary saingy bebe kokoa ny andraikitry ny mpamily, izay tsy voateny loatra, eny am-pifamoivoizana eny.

Araka izany dia nambaran’ny Komandin’ny ZP, ny Jly Njato Andrianjanaka fa haverina ireo zandary saingy amin’ny endriny vaovao no isehoany.

Ny ankamaroan’ny loza mitranga manko dia noho ny hamamoan’ny mpamily na noho ny fandehanana mafy loatra na fihoarana amin’ny làlana tsy tokony hanaovana izany na famatorana entana miavoavo loatra,… Koa hisy, noho izany, ny fepetra vaovao ho raisina.

Zava-dehibe manko ny fahitana zandary eny am-pifamoivoizana eny. Hisy ihany koa ny hahitana ireny fiaran’ny zandary ireny, izay hisahana ny fandriampahalemana.

Telo no maty

Anisan’ny nitrangan-doza, omaly maraina , tokony ho tamin’ny 3 ora, ny làlam-pirenena faha-4 iny. Teo amin’ny PK 54 no nisehoan’izany, na ny marimarina kokoa teo Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Lehilahy 30 taona eo sy ankizy mianadahy samy tokony ho 10 taona eo ireo namoy ny aina. Maro koa no naratra, izay efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitalin’i Mahitsy sy Alakamisy.

Araka ny voalaza dia noho ny fahavakisan’ny kodiarana no fototr’izao loza izao. Na izany aza, nilaina hatrany ny zandary tamin’ny fanampiana ireo niharam-boina ireo.

Vous aimerez aussi