Nihena 500 Ar ny vidin’ny solika fandrehatra. Izany hoe nidina ho 2 130 Ar ny litatra. 150 Ar kosa ny fihenan’ny gazoala ka 3 400 Ar izany ny litatra. Ary nihena 100 Ar kosa ny lasantsy ka 4 100 Ar izao ny iray litatra.
Ireo no fanapahan-kevitra tapaka, ny Alarobia lasa teo, taorian’ny dinika nifanaovan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpandraharaha momba ny solika, nandritra ny andro vitsy.
Nanatrika izany fihaonana izany moa ny Praiminisitra sy ireo minisitra voakasik’ity raharaha ity.
Asa na afa-po amin’izao fampihenana ny vidin-tsolika izao ny fitondrana, izay niady ny hamaritra mazava ny vidin’izany na ahoana. Ny fikatsahan’ny Filoham-pirenena ny tombontsoam-bahoaka ka mba hisy fiantraikany amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy manko no nambara ho anton’izao ady varotra amin’ny fampidinan’ny vidin-tsolika izao.
Hafindra ny tobin-tsolika
Fantatra nandritra ny fanambarana ihany koa fa hafindra toerana ny tobin-tsolika etsy Ankorondrano. Mba hisian’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena dia hatao any ivelan’ny tanàna izany. Hanaraka izany avokoa ireo tobin-dasantsy manerana ny Nosy.
Ankoatra izany dia hatao haharitra mandritra ny 45 andro ny tahirin-tsolika eto amintsika raha 21 andro monja no faharetan’ izany « stock de sécurité » izany teo aloha.
Hihena ny saram-pitaterana
Asa na hitàna ny teniny ny filohan’ny kaoperativam-pitaterana eto an-drenivohitra, izay nanambara fa « rehefa midina ny vidin-tsolika dia azo atao tsara ny mampidina ny saran-dàlana » na ahoana. Nampiarahana tamin’ny fanambarana ny tokony hijerena akaiky ny vidin’ny kojakoja na piesy fanolo amin’ny fiara fitaterana manko izany. Nambarany fa rehefa midina ny vidin’io solika io dia azo lazaina ho manaraka izany ny vidin-javatra rehetra, indrindra izay mety ho ilain’ny vahoaka andavanandro. Koa afaka mba miaina malalaka kokoa ny vahoaka satria efa nisy rahateo ny fampiakarana ny karama farany ambany indrindra.
Andrasana, araka izany, ny fiantraikan’izao fampidinana ny vidin-tsolika izao na eo amin’ny fitaterana na eo amin’ny vidin-jiro sy ny fiainana andavanandro.
Ramanana

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

