Efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana Avo na ny Haute Cour de Justice ny raharaha mahakasika ny fanodikondinam-bola nataon’ ireo Minisitra telo mianadahy teo amin’ny fitondrana teo aloha, izay mitentina 7,6 miliara ar, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Birao mahaleotena misahana ny kolikoly (na ny Bianco), omaly.
Raharaha mahakasika ny tsenambaro-panjakana avokoa izy ireo, izay nitranga nanomboka ny taona 2013 ka hatramin’ny 2018.
Fanadiovana
Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana ny fitantanana ny raharaham-panjakana izao ary fanenjehina ireo tsimatimanota eto amin’ny firenena.
Voarohirohy amin’izao fanodinkodinana izao ny Minisitry ny Asa vaventy (2013-2014), izay naka vola tamin’ny mpandraharaha dimy, mitentina 700 tapitrisa ar, ka tsy nampidirina tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany fa narotsany tao amin’ny kaontiny manokana teny amin’ny banky. Efa lasa senatera moa ity minisitra taloha ity amin’izao fotoana izao.
Ny faharoa dia Minisitry ny Paositra sy Fifandraisan-davitra teo aloha, izay voalaza fa efa lasa nitsoaka any ivelany. 6 miliara ar kosa no nahodinkodiny, izay voalaza fa nividianana fitaovana informatika. Tsy nisy akory anefa ireo fitaovana ireo.
Ny fahatelo dia ny Minisitry ny Mponina, izay namoaka vola 1 miliara ar, ny taona 2018. Tokony hividianana kojakoja ao amin’ny ministera izany vola izany kanefa nahodina tsotra izao. Nalaina tamin’ny gony tao amin’ny Banky Foibe fotsiny io vola io ka naterina tany an-tranony.
Efa miasa ny HCJ
Ny 29 may 2018 moa no efa amperinasa ny HCJ, izay ahitana mpikambana 11, ary mbola andrasana ny solontena 2 avy amin’ny Antenimierampirenena.
Ity Fitsarana Avo ity moa no afaka hitsara ireo olona ambony eto amin’ny firenena, toy ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra, ny mpikambana ao amin’ny governemanta, ny Filohan’ny Andrimpanjakana, ny depiote sy ny senatera.
Marihina fa efa maromaro ny dosie eo anivon’ity Fitsarana Avo ity, saingy tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisiny hatreto.
Voatana koa ny Filohan’ny SIRAMA
Fantatra moa fa nampidirina am-ponja vonjimaika koa ny Filohan’ny filankevi-pitantanana ny orinasa Sirama teo aloha noho ny fanodinkodinambola sy ny fanaparam-pahefana nataony teo anivon’ity orinasa ity. Vola mitentina 1,10 miliara ar, izay vidin’ny tanin’ny orinasa kosa no nahodinkodiny.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

