Hitohy rahampitso sabotsy indray ny hetsika hatao etsy amin’ny Magro Behoririka, mba ho fitakiana ny fahamarinana. Hetsika izay efa notarihan’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), kanefa iantsoana ny rehetra izay mitaky izany fahamarinana izany.
Tsy mitaky vanim-potoana manokana ny fitadiavana ny fahamarinana, hoy ireo mpitarika, fa na andro fety aza dia atao izany satria zava-dehibe.
Hitohy tsy tapaka izao hetsika izao, hoy hatrany ny tompon’andraikitra, mandra-pivoaka ny vokatra ofisialy mikasika ny voka-pifidianana kaominaly natao iny.
Kianina fatratra manko ny vokatra tsy mbola ofisialy, satria tsikaritr’ireo mpitolona fa betsaka loatra ny hala-bato sy ny hosoka. Ka ny fampitahana ny lisi-pifidianana tamin’ireo latsabato natao no fotot’izao fitakiana izao.
Toa voka-pifidianana efa voaomana manko no tsikera entin’ny Filohan’ny TIM mikasika izao vokatra izao.
Asa izay mety hitranga raha hijanona amin’iny fanambaran’ny Ceni iny ihany ny mety havoakan’ny vali-pifidianana ofisialy.


