43 no olona voasambotra ny 6 amin’ireo no voatazona am-ponja vonjimaika, 20 nafahana madiodio ary 9 arahi-maso tsy mahazo mivoaka an’Antananarivo. Izany no sazy sy fepetra noraisina mikasika ny fivoahan’ny laza adina bakalorea farany teo, araka ny fanambaran’ny zandarimaria misahana ny famotorana, io maraina io.
Araka ny fanambaran’ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa dia toerana 4 no tena voakasik’ity raharaha ity dia Antananarivo, Imerintsiatosika, Fianarantsoa, Alakamisin’Itenona ary Ihosy, izay nisian’ny olona voasambotra.
Tsy mijanona hatreo anefa fa mbola mandeha sy mitohy ary miha-lalina hatrany ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
Manoloana ny fanomanana ny « session speciale » dia manao antso ity Jeneraly dia mba samy ho tony manoloana izany. Tsy hisy kosa ny fitserana ho an’ny olona izay mbola minia manakarontana izany fanadinana izany.
Ankoatra ny toerana hitokana-monin’ireo mpikarakara ny laza adina dia misy koa ny fitandroana akaiky ny filaminana amin’ny fitaterana ireo laza adina.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

