LAPAN’I TSIMBAZAZA : Mangina tanteraka

Taorian’ny nanehoan’ny ankizy ny zony teny amin’ny Antenimierampirena dia niverina nangina tanteraka indray ity Lapam-panjakana ity.

Tsy dia mahagaga loatra ny fanaovan’ireo solombavambahoaka tsidipahitra ity toeram-pivoriana ity, izay efa fomban’ny depiote rehetra nifandimby teo, ka mbola tohizan’ny ankehitriny koa.

Fampielezan-kevitra

Araka ny fanambaran’ireo depiote teny an-toerana dia mety ho ny fisian’ny fampielezankevitra no antony tsy ahatongavan’ireo namany. Miezaka ny hampandany ireo kandidàm-panjakana manko ireo mpiara-mitolona aminy ary toy izany ihany koa ny an’ny mpanohitra.

Araka izany, aorian’ny fifidianana Ben’ny Tanàna, ny 27 novambra ho avy izao vao hisy ny fandinihana ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona 2020. Tahaka ny lalàna rehetra anefa dia tokony hisy ny adihevitra sy ny fotoana malalaka hanaovana ny fanitsiana izany.

Ahiana handalo fotsiny ihany indray ny fandaniana ireo lalàna tokony ho mila fandinihana lalina, izay anisan’izany ny fandaniam-bola ho amin’ny taona ho avy io.

Mila fandinihana

Ilaina anefa ny fandinihana lalina ireo fandaniam-bola isaky ny Andrimpanjakana mba tsy hivangongo loatra eny amin’ny Fididiana ny Repoblika ny vola tokony ho eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana noho ny fampandrosoana eny ifotony dradradradraina.

Tahaka izany ihany koa ny tokony handinihana ny haba sy ny hetra isan-tsokajiny izany fototra mampidangana ny vidin’entana ilain’ny vahoaka andavanandro. Manginy fotsiny ny amin’ny fitantanana sy ny fiavian’ny vola amin’ny fanatontosana ireo asa goavana toy ny tanàna vaovao,…

Eo ihany koa ny fangatahana sy fisamboram-bola any ivelany izay ho trosan’ny taranaka aoriana.

Hifarana tsy ho ela

Hifarana ny amin’ny herinandro faharoan’ny volana desambra ho avy iny anefa ity fivoriana ara-potoana ity. Mbola hiakatra eny amin’ny Antenimierandoholona ny fandaniana izany lalàna izany, kanefa hatreto, tsy misy ny adihevitra momba izany fa variana amin’ny tsy andraikiny ireo solombavambahoaka.

Zava-dehibe iankinan’ny fiainam-bahoaka anefa ny amin’ity teti-bolam-panjakana ity.

Vous aimerez aussi