Vaky ambatolampy ny kolikoly avo lenta sy ny fanodikodinana volam-bahoaka tamin’ny alalan’ny tolobaro-panjakana natao ho an’ny Kaominina Sahasinaka sy Kaominina Ampasimanjeva, samy ao amin’ny Distrikan’i Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany. Samy nahazo tohana ara-bola manokana na « subvention exceptionnelle » mitentina 173 746 571.30 Ariary, avy amin’ny fanjakana ho an’ny Kaominina Sahasinaka, ary 173 096 008 ho an’Ampasimanjeva.
Fanavaozana Tranompokonolona no asa atao handaniana ny vola, na ho an’i Sahasinaka na ho an’Ampasimanjeva. Orinasa iray ihany, dia ny orinasa « PETA » tantanan-dRazafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dite PETA no nahazo ireo tsenan’asa ireo tamin’ny fomba tsy mazava, mifono kolikoly, rehefa avy nandoa « ekôlazy 10% », izany hoe : 17 tapitrisa Ariary isaky ny asa, tamin’i Houssen Ben Abdullah, Tale (Directeur des Concours Financiers de l’Etat) teo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany, fiampangana izay nolavin’ity farany noho izy tsy manana fahefana hanome « subvention exceptionnelle) araka ny fiarovan-tenany.
Voasaringotra tamin’ireo raharaha ireo ny Sekretera mpitambola (STC) ny Kaominina Sahasinaka, sy ny Kaominina Ampasimanjeva noho izy ireo, voalaza fa noteren’ny Tale ara-pitantanana sy ara-bola teo anivon’ny Ministeran’ny Ati-tany hanao sonia ny taratasim-bola ho an-dRtoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dite PETA nefa ny asa tsy mbola nanomboka akory. Tetsy andanin’izay dia nisy ny fitsirihana sy fanamarinana nataon’ny sampandraharaham-paritry ny fanajariana ny tany, faritra Vatovavy Fitovinany. Rehefa nanao tombana ny asa voalaza fa nandaniana ny « subvention exceptionnelle » mitentina 173.746.571,30 Ariary ho an’i Sahasinaka ary 173 096 008 Ariary ho an’Ampasimanjeva, dia nivoaka tamin’ny tatitra fa 76.300.920 Ariary ny tomban’ny asa fanarenana ny Tranompokonolona nambara fa vita tao Sahasinaka, ary 66.208.734 Ariary kosa ny tomban’ny asa natao tao Ampasimanjeva. Tafakatra 204.332.925,30 Ariary ny fatiantoka na volam-panjakana very tamin’ireo tsenan’asam-panjakana roa nomena ny orinasa PETA ireo.
Maherin’ny roapolo anefa ny tranga voalaza fa mitovy amin’ireo ny fomba nanaovana azy. Efa eny amin’ny « Pôle Anti-Corruption » (PAC) ireo raharaha ireo amin’izao fotoana izao. Nisy dosie efa notsaraina tamin’ny herinandro lasa teo. Voatana am-ponja ireo tomponandraikitra teo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany. Voasazy asa an-terivozona mandritra ny 5 taona i ramatoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dite PETA, izay tsy nipoitra nadritra ny fotoam-pitsarana, ka namoahana didy fampisamborana avy hatrany.
Raha vola 140 miliara ariary no ahiana niarahan’i Peta nitsikombakomba tamin’ireo tompon’andraikitra ambony tao amin’ny ministeran’ny Ati-tany, fony mbola minisitry ny Ati-tany no sady praiminisitra i Mahafaly Olivier, dia ny raharaha Claudine Razaimamonjy izany dia trondro madinika mihoatra an’ity raharaha Peta ity. Satria raha 12 miliara Ariary ny teti-bola ankapobeny ampandehanana ministera iray, toy ny ministeran’ny Indostria, 213 miliara ariary ny an’ny ministeran’ny Ati-tany misahana ny Vondrombahoakam-paritra rehetra, ny raharaha Peta kosa dia tombanana mitentina 140 miliara ariary ireo dosie 20 ireo.
Tsiahivina fa nandritra ny filankevitry ny minisitra notarihiny tamin’ny 20 febroary 2019, dia hentitra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nanambara fa tsy misy indra-fo « Tolérance zéro » sy sazy tsy manampaharoa « sanction exemplaire » ary mamerina manontolo ny vola nahodikodiny no miandry ireo mpanao kolikoly. Miampy fandroahana avy hatrany amin’ny asany, raha mpiasam-panjakana no tompon-keloka.
Miandry ny fanatanterahana ara-bakiteny izany ny Vahoaka, hiverenan’ny fitokisany ny fanjakana.

Mitady lalana hitsoaka
Fantatra fa niala teto Antananarivo vao maraina ho any Atsimo atsinanana, miaraka amin’ny fiara 4×4 marron foncé métallisé WWT, ramatoa Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard dite PETA tamin’ny alahady 25 aogositra 2019. Raha ny angom-baovao dia mikasa ny hitsoaka hiala eto Madagasikara amin’ny alalan’ny sambo izy.
Marihina fa an-koatry ny didy fampisamborana azy izay navoakan’ny PAC, sy ny sazy 5 taona asa an-terivozona, dia fantatra koa fa efa misy IST, na fandrarana ny hivoaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara mahakasika azy.


Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

