JAWS BAND : Hanamarika ny tsingerin-taonany

Hankalaza ny faha-herintaonany sahady ny Tarika Jaws Band ny Sabotsy 21 desambra 2019 ho avy izao, ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Raha ny taona no jerena dia kely tokoa izany herintaona izany fa raha ny zavatra vita kosa anefa teo amin’ny fiderana an’Andriamanitra dia efa azo lazaina fa efa nahavita ezaka. Toerana maro no efa nalehan’izy ireo ary olona maro no efa nifampizara taminy ny fahasoavan’Andriamanitra, na teto Madagasikara na tany ampitan-dranomasina.

Ho tena matihanina tanteraka ny lanonam-pankalazana satria ny First Evenementiel no hikarakara izany. Raha ny fandaharam-potoana dia hanokatra ny fotoana ny vahiny nasaina izay maro tokoa. Anisan’izany i Jaojoby, GMMC, Rakoto Frah Junior, Antsan’i Kristy, Mpanarato Raitra, NTC, Lovatiana, Faratiana Church, TDL, Ny Koraita, AJC, Rija Rakoto, HIM, VOG, sns. Hisy ihany koa anefa vahiny anelanelanan’ny Jaws Band eo amin’ny tapany faharoa.

Ho feno ny Fanahy masina tokoa io tapak’andro hariva io ho an’izay tonga manatrika izany. Araka ny voalaza moa dia ho maimaim-poana ny fidirana fa ny valopy ho solon’ny karatra fidirana dia efa azo raisina ao amin’ny Koots Food Mahamasina. Ny VIP koa dia misy fandraisana anjara izay mirary tokoa.

Vous aimerez aussi