Tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fanoloana ny tompon’andraikitra eny ifotony, hoy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, io maraina io. Miantoka ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka, noho izany, ny fanoloana ireo sefom-pokontany, indrindra ireo nandraisam-pitarainana, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity.
Kajikajy politika ?
Mampanahy ny maro anefa izao fihetsiky ny fitondrana izao satria ankatoky ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina tokoa izao ny firenena ka tsy tokony hisy ny fanoloana mba hisian’ny zotram-pifidianana hirindra tsara.
Marina fa tsy tompon’antoka mivantana amin’ny raharaham-pifidianana ny sefom-pokontany, saingy tompon’andraikitra kosa amin’ny fandraisana ny lisi-pifidianana ary indrindra amin’ny fanaterana ireo voka-pifidianana eny anivon’ny SRMV, miaraka amin’ny delege.
Noho izany, heverina ho kajikajy politika ataon’ny fitondrana ihany izao fanoloana maimaika izao. Velona, araka izany, ny ahiahy ny amin’ny tsy fisian’ny fifidianana madio noho izao tranga izao. Tsikaritra eny anivon’ny fiaraha-monina aza moa fa misy ny sefom-pokontany no manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana miaraka amina kandidà.
Milamina avokoa
Nambaran’ny Minisitra ihany moa fa efa vonona sy milamina avokoa ny fandraisana ity fifidianana kaominaly ity, manerana ny nosy.
Toa tsy eken’ny sain’ny maro anefa ny hisian’ny tena mangarahara sy ny fahadiovan’izany fifidianana izany noho izao zava-mitranga izao. Heverina ho mitohy hatrany ny fampianaran-dratsy ireo mpanao politika amin’ny hala-bato amin’ny fomba samihafa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

