Ilaina ny fananana kianja filalaovam-baolina manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny Filohan’ny Federasion’ny baolina kitra maneran-tany (na ny FIFA), Gianni Infantino, io maraina io, raha nidinika tamin’ny mpanao gazety izy, taorian’ny fihaonany tamin’ny Filoham-pirenena.
Efa zava-dehibe, hoy izy ny fananana vina amin’ny fanamboarana kianja sintetika maromaro eto amin’ny Nosy.
Nanterin’ny Filohan’ny Kaonfederasiona afrikan’ny baolina kitra (na ny CAF), Ahmad izany, fa raha tsy misy ny kianja manaraka ny kalitao iraisam-pirenena dia tsy hiala an-daharana akory ny ekipa malagasy fa tsy afaka hampiantrano lalao iraisam-pirenena ka voatery tsy maintsy mitady kianja manaraka ny fenitra any ivelany kosa.
Zava-dehibe, araka izany, ny fanavaozana ny kianjaben’i Mahamasina, ahazoana mandray ny lalaon’ny fifanitsanana ho amin’ny amboara manerantany, izay hatrehin’ny Barea amin’ny volana marsa 2020.
Hanao fitsidihana
Marihina moa fa ny alahady alina teo no tonga teto amintsika ity filohan’ny FIFA ity. Hisy ny fihaonany amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny baolina kitra eto an-toerana. Hanao dinika amin’ireo mpitantana ny baolina kitra rehetra eto Madagasikara koa izy. Handalo etsy amin’ny sekolin’ny baolina kitra etsy amin’ny St Michel ihany koa ny vahiny. Aorian’izany dia handalo eny amin’ny foibe teknika eny Carion koa i Gianni Infantino. Ho any Mahajanga izy ary hanatrika ny fivoriamben’ny kaomision’ny fikambanana iraisam-pirenen’ny baolina kitra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

