Nanao jery todiky ny asa vita nandritra iny taona nivalona iny ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fiarahabana nataony ho an’ny vahoaka malagasy. Teo indrindra koa anefa ny namaritany hatrany ny vina ho tanterahina amin’ity taona vaovao ity. Taona hiavaka satria hankalaza ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenany i Madagasikara.
Vely…kanota
Raha kabary fampihavanana no nandrasan’ny rehetra, mba hisian’ny tena fampandrosoana miaraka ity firenena ity, dia zavatra hafa no ren’ny maro. Nohadiana ho lalina indray manko ny hantsan’ny fankahalana tamin’ny fampahatsiahivana fa nikororosy tanteraka ity firenena ity mialoha ny nandraisany ny fahefana. Tsy nitsitsy teny nenti-namaritana ity firenena ity sy ny mpitondra teo aloha ny Filoha Andry Rajoelina : « Firenena nanjakan’ny tsi-fandriampahalemana. Latsaka lalina tao anaty kolikoly. Firenena niaina tanteraka tao anaty gaboraraka sy ny fanararaotam-pahefana ary indrindra ny tsindrihazolena isan-karazany ».
Nanteriny aza fa « tsy nahatoky ny fitondram-panjakana tamin’izany intsony ny vahoaka. Ny ankamaroany aza very fanahy mbola velona toy ny valala voatango ».
Raha miezaka andro aman’alina ny fitondrana ankehitriny amin’ny fampandrosoana tian-katao dia nambaran’ny Filoha ankehitriny fa misy ny sasany no « miezaka ny misintona hiverin-dàlana ary mikasa ny hampianjera sy ny handrodana mihitsy aza. Toetsaina misakana ny fampandrosoana izany ! »
Miantso ny Malagasy rehetra hiara-hiroso amin’ny fanarenana ihany anefa ny Filoha raha toa ka mbola misy na dia kely ihany aza ny fitiavana ity firenena ity : « ‘Ndao hiara-hientana ! », hoy indray izy.
Nosy malagasy : tsy mazava ny dinika
Nandritra ny tatitra iraisam-pirenena no notsiahivan’ny Filoha Andry Rajoelina ny diany tany Frantsa. Anisan’ny voamarika nandritra izany, ny dinika nifanaovany tamin’ny filoha frantsay, Macron, ny 29 mey 2019, momba ireo Nosy malagasy manodidina.
Ny mahagaga anefa dia ny volana oktobra ihany no nilazan’ity filoha frantsay ity fa « eto Frantsa aho ! », raha nigadona tao amin’ny Nosy Glorieuse, anisan’ireo Nosy malagasy izy.
Tsy fantatra mazava, araka izany, ny tena vontoatin’ny diniky ny roa tonta. Tahaka izany koa ny resaka nifanaovana teny Andafiavaratra. Ary ny fihaonana manaraka tokony hatao any Frantsa moa dia nangingina.
Dia niantso indray ny Filoha Rajoelina ny mba hiraisan’ny Malagasy hina, hitaky ireo Nosy manodidina ireo mba ho amin’ny fiandrianam-pirenena.
Hanamarika indrindra ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenantsika manko, hoy izy, ny fahazoana ireo Nosy malagasy ireo.
Ady amin’ny kolikoly : tsy voateny ireo depiote
Anisan’ny nasian’ny Filoha teny ihany koa ny ezaka natao momba ny ady amin’ny kolikoly, izay nanambarany fa betsaka ny vokatra azo tsapain-tanana. Mbola misy anefa ny tokony harenina, hoy izy. Koa hamafisina ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny ady tany, ny fahasalamam-bahoaka, ny fadin-tseranana,…
Tsy nasiany teny mihitsy kosa anefa ny amin’ireo Solombavambahoaka 80 mahery tsy mbola nanao fanambaram-pananana teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (na HCC).
Telo volana aorian’ny nandraisany ny asany no tokony hanatanterahin’ireo Depiote izany. Sazy 6 volana hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ary lamandy 10 tapitrisa ka hatramin’ny 40 tapitrisa ar no miandry ireo tsy nanao izany na tsy nahafeno na nandainga.
Tokony haka fepetra manoloana izany ny HCC sy ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (na ny Bianco) satria ady amin’ny kolikoly no anton’ny nanaovana ity fanambaram-pananana ity, sady rahateo, tokony ho ohatra tsara eto amin’ny firenena izany olom-boafidy izany.
Nanteriny anefa, nandritra ny resaka fonja, fa « hamafisina ny fanasaziana eo amin’ny ny ady amin’ny kolikoly ary tsy misy indrafo ny amin’izany ! »
Faha-13
Hany nisongadina indrindra tamin’ny fanambarana nataon’ny Filoha ny fisondrotan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana 13 %, manomboka amin’ity janoary ity. Tsy ampy koa anefa ilay fitoviana mariky ny firaisana satria tsy ny mpiasam-panjakana ihany no manao ny asa fampandrosoana eto.
Marina fa mety tsy ho voabaikon’ny Filoha ny tompon’ny orinasa tsy miankina. Saingy azony natao ihany ny manipy teny amin’izy ireny mba hitovian’ny saranga sy ny laharana ara-tsosialy eto amin’ny fiaraha-monina.
Ary raha voateny ihany ny fisondrotana 13% dia tokony ho nasian-teny ihany koa ny faha-13 –n’ny volana, fantatry ny mpiasa amin’ny hoe « 13ème mois ». Iaraha-mahalala manko fa tsy maintsy hidangana indray ny vidim-piainana.


