FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA : Mba ho tena fiovana e !

Tsy hisy ny lanonam-pisakafoanana fanao eny an-dapan’Iavoloha ny 26 Jona ho avy izao. Ny tolakandro kosa no hatao ny matso lehibe fanaon’ny vondron-tafika isan-tsokajiny, eo Mahamasina.

Fiovana lehibe izany, hoy ny maro. Ny maro izay tsy mbola voaasa teny akory na indray mandeha aza, saingy mahatsapa kosa fa misy ny fitsitsiana ataon’ny Fitondrana. Na izany aza, tsy ho jerem-potsiny akory ireo vahiny manankaja avy any ivelany, izay hasaina fa tsy maintsy hiatrika lanonana fiaraha-misakafo izy ireo, saingy tsy hatao hanakoako ho ren’ny maro fotsiny.

Matso fampiderana ihany

Hiova fotsiny kosa ny fotoana hanatrehan’ny vahoaka ny matso. Raha ny maraina hatrany no nanarahana izany teo aloha dia mba ny tolakandro indray izao. Asa na hazoto hiatrika izany mivantana ny maro amin’izao toetr’andro mamirifiry izao na hibonoka anaty fandriana hanaraka izany amin’ny fahitalavitra. Tsy hiova velively rahateo akory ireo vondron-tafika hilahatra mandritra izany fa ny eo ihany no ho eo. Manahiran-tsaina ny maro aza ny mahita azy ireo indrindra ny fisian’ilay fihetsiketsehana na « démonstration », satria tsy tsapan’ny maro loatra ny fihenan’ny asan-dahalo sy ny fakana an-keriny, ny fanafihana mitam-piadiana sy ny tsindron’antsy, ny sinto-mahery sy ny harom-paosy, ny fanolanana sy hala-botry,….izay mbola manjaka  manerana ny Nosy hatrany ankehitriny. Hita amin’ireny anefa fa manana tafika sy mpitandro filaminana mirijarija ny Malagasy, afaka hetsehana amin’ny asan-jiolahy maro karazana sy miroborobo eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Faha-60 taonan’ny fahantrana

Fa natao, hono, izao karazana fiovana kely izao mba hiampitana amin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena, izay heverina hatao ho makotrokotra kokoa noho ny mahazatra. Ny tarehi-marika ihany koa anefa no hiova fa raha ny fomba fiaina hanehoana izany fahaleovantena sy fitiavan-tanindrazana izany dia toa ny omaly tsy miova ihany.
Anisan’izany ny mbola hisalasalana ka hiandrasana herintaona indray ny hanomezan’ny Frantsay ireo nosy kely manodidina na ny Iles Eparses an’i Madagasikara.
Soa fa navoitra ho « Malagasy aho, tia fandrosoana, tia tanindrazana », ny lohahevitra hanompanana izao faha-59 taonan’ny fahaleovantena izao mba ahatsiarovan’ny tsirairay tena manoloana izao fahantrana mangitsoka iainan’ny firenena izao. 60 taona toa very an-javona tokoa satria tsy niainana izany fahaleovantena sy fitiavan-tanindrazana izany.

Ramanana

Vous aimerez aussi