Handray fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny taranja «golf» i Madagasikara ny volana novambra sy desambra ho avy izao.
Eny amin’ny kianjan’ny Golf Rova eny Andakana no hifanitsanan’ireo mpilalao mihoatra ny 50 taona ireo.
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia natao ho sehatra hampiroboroboana sy hisintonana mpizahantany ny fampiantranoan’i Madagasikara ity « tournoi mondial » eo amin’ny taranja «golf » ity.
Ho avy eto amintsika avokoa manko ireo kalaza maneran-tany amin’ity taranja ity, izay samy mankafy fizahantany ihany koa.
Ny ministeran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Famantarana ny toetrandro no anisan’ny tompon’antoka amin’izao fampiantranoana ny lalao izao, satria anisan’ny tanjon’ny ministera ny fampitomboana ireo mpizahantany tonga hitsidika eto amintsika, izay hotratrarina ho 5 hetsy hatramin’ny taona 2023.
Fantatra moa fa ny olona manan-katao no manao sy milalao ity karazam-panatanjahan-tena ity. Ary koa olona tia mitsidika sy mankafy fizahantany ka mitady izay toerana ahafahany manao izany taranja izany.
Na tsy misy afa-tsy telo (3) aza ny kianja azo hilalaovana eto amintsika dia nanaiky ny hanatanterahana izany aty ireo mpifaninanana kalaza ireo, izay efa samy tompon-daka tranainy avokoa.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

