FAHASALAMAM-BAHOAKA : Hiray feo ny mpitsabo

« Antoky ny fampandrosoana ny fananana vahoaka salama. Aleo misoroka toy izay mitsabo ». Izany no lohahevitra nentina nanompanana ny fihaonan’ny mpitsabo eto amin’ny Faritra Analamanga, ny zoma 19 jolay 2019 tetsy amin’ny Carlton Anosy.

Anisan’ny nodinihana nandritra izany ny fampitoviana manomboka izao, ny fomba fitsaboan’ny mpitsabo manerana an’i Madagasikara, mba hifanaraka amin’ny toetrandro. Manoloana izany dia misy ny fizarana traikefa sy ny fitaovana toy ny « application », omena ireo dokotera.
Misy, araka izany ny « application  android », ahitana karazany telo (3), dia ny certificat médical, ny mikasika ny fanafody ary ny fomba fitsaboana.
Ho zaraina amin’ireo mpitsabo ihany koa ny vaovao rehetra mikasika ny ara-pahasalamana sy ny fitsaboana misy rehetra ahazoana manome tolotra tsara sy mahomby ny marary. Anisan’izany, ohatra, ny mety hisian’ny fomba vaovao fitsaboana ny aretina samihafa, toy ny tosidrà.

Tsy voatsinjara ny mpitsabo

Voalaza tamin’izao fihaonana izao fa miisa 4 500 ny isan’ny mpitsabo misoratra eo anivon’ny holafitra, ary ny 4 000 amin’ireo dia samy eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Heverina ho ampy hitsabo ny Malagasy ny isan’ireo dokotera ireo, saingy ny fitsanjarana azy no manahirana noho ny anton’ny tsi-fandriampahalemana, indrindra eny amin’ny faritra ambanivohitra.
Fantatra ihany koa fa mpitsabo sandoka miisa telo isam-bolana eo no saron’ny holafitra manao ny asan’ny mpitsabo. Misy ny fepetra raisina amin’izy reny ary entanina ny olona mba ho mailo satria aina ny fitsaboana. Tsy misalovana ny asa fanaovana ireny raok’andro ireny kosa ny holafitra, satria misy manana ny maha-izy azy tokoa izy ireny.

Tsimokaretina Ebola

Mikasika indray ny tsimokaretina Ebola izay nambaran’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny Ministera momba izany, satria Nosy i Madagasikara ary maro ireo teratany afrikana no mifanerasera amintsika eto. Hisy, araka izany ny stratejia hiatrehana izany aretina izany, satria mifindra amin’ny alalan’ny hatsembohana, ny fofon’aina,… io areti-mandoza io. Hojerena ireo mpiara-miombon’antoka ka hapetraka eny amin’ny sisin-tany na ny seranana ny fitsirihana ny aretina.

Vous aimerez aussi