Nanatanteraka valandresaka hoan’ny mpanao Gazety niarahana tamin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Ahmad Ahmad, sy ny ministry ny Fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetr’androJoël Randriamandranto ary ireo mpiara-miombon’antoka toy Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS), niantso ny rehetra amin’ny fanajana ireo fepetra rehetra noraisina amin’ny fanamafisana ny fiarovana tsy idiran’ny Coronavirus eto Madagasikara. Voakasika izany ny eny amin’ireo seranam-piaramanidina sy ireo seranan-tsambo rehetra miaraka amin’ny fampitaovana rehetra, ny fanofanana ireo mpitsabo handray an-tànana ny fanaraha-maso. Ny tanjona : “Hifanome tanana isika, ho lavitry ny “coronavirus” Madagasikara.”. Resadresaka


