Tamin’ny isa 1 no 0 no nandresen’ny Barean’i Madagasikara ny ekipan’i Burundi, ny alakamisy hariva lasa teo. Teo amin’ny faha-75 minitra nilalaovana no namonoan’i Laimaharitra izany baolina izany, tamin’ny alalan’ny « coup franc ».
Voaloham-pandresena tamin’ny niakaran-tsehatra voalohany teo anivon’ny CAN izany ka diboky ny hafaliana ny mpilalao ary tsy latsa-danja amin’izany koa ny Malagasy nanohana ny mpilalaony, indrindra ny vahoaka teto an-tanindrazana.
Na dia tokony ho mihoatra ny 1 aza ny baolina maty dia natao ho ampy hifaliana izany hiakarana amin’ny dingan’ny am-pahavalon-dàlana.
Dia misioka ihany aloha na dia tsy mbola tafavoaka ny ala aza, satria heverina ho miha-mafy hatrany ny mpifanandrina, arakaraka ny hisondrotana, satria ny « Super Eagles »-n’i Nigeria indray izao no hifandona amin’ny Malagasy, ny alahady ho avy izao.
Boribory, araka ny fiteny, anefa ny baolina ka tsy hisy sahy hitompo teny loatra ny amin’izay handresy fa ny fanomanana no tokony hatao mihatsara hatrany hatrany koa. Heverina ho lalao famaranana eo anivon’ny vondrona B manko ity lalao amin’ny alahady ity.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

