BAREAN’I MADAGASIKARA : Mbola fihaonana ihany ny anio

Fihaonana manokana no nataon’ireo mpilalaon’i Barean’i Madagasikara io antoandro io, tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tsy mbola fanazarantena, araka izany, no natao fa fihaonana manokana ho an’ny mpilalao sasantsany, izay efa tonga eto an-tanindrazana.

Zava-dehibe ny lalao hatao ny sabotsy 16 novambra ho avy izao, izay hihaonana amin’i Etiopia, satria hahazoana miatrika ny CAN 2021 izany.
Saika efa tonga eto an-toerana ny ankamaroan’ireo mpilalao mpila ravinahitra any ivelany, toa an-dry Romain Metanir, Thomas Fontaine, Jérôme Mombris, Dimitry Caloin, Lalaina Nomenjanahary na Bolida, Faneva Ima, Voavy Paulin ary Melvin Adrien.

Ho tonga ny tolakandro izao kosa i Carolus. Rahampitso maraina i Njiva, sy Abel Anicet ary Rayan Raveloson.

Efa nitangoronan’ny mpankafy baolina kitra avokoa io maraina io, ny toerana niaingana sy nandalovan’ireo mpilalao ireo, toy ny tetsy amin’ny Hotely Antaninarenina, itoeran’izy ireo sy ny teny Mahamasina teny.

Manantena lalao mahafinaritra avy amin’izy ireto, noho izany, ny mpitia baolina kitra malagasy. Irina, araka izany, ny fitandremana lalina avy amin’izy ireo.
Rahampitso talata, amin’ny 4 ora tolakandro moa no tena hanomboka ny fanazaratenan’ity ekipa ity.

Vous aimerez aussi