Nambaran’ny federasion’ny baolina kitra malagasy fa azo alaina eny amin’ny foibeny eny Isoraka, manomboka anio tolakandro amin’ny 2 ora, ny tapakila hijerena ny lalao hihaonan’ny Barea Madagsikara sy Etiopia. Ho an’ny eny amin’ny tribune afovoany dia 80 000 Ar ary 30.000 Ar ho an’ny tribune an-tsisiny. Tsy mbola navoaka kosa ny tapakila ho an’ny gradin, izay 10.000 Ar, raha tsy ny sabotsy izao, mba isorohana ny hosoka.
Vonona ny handresy
Nanomboka io tolakandro io, tetsy Mahamasina moa, ny fanazaranten’ny ekipa malagasy. Hita ho nizotra araka ny tokony ho izy ny fampivondronana ireto mpilalao ireto na dia mbola tsy tafavory avokoa ary ny rehetra. Noho ny fiaramanidin’ny Air Madagasikara Airbus A340-300 MD051 tra-pahavoazana manko dia tsy afa-niala tao amin’ny seranana Charles de Gaule tao Parisy ity fitaovana ity. Marihina anefa fa ity fiaramanidina ity no mitondra an-dry Anicet, kapiteny, Njiva, Jérémie Morel ary Rayan Raveloson.
Tsy afaka hilalao kosa i Marco Ilaimaharitra noho ny ratra mahazo azy any amin’ny ekipany any Belzika. Na izany aza, hita fa vonon-kandresy ny mpilalao rehetra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

