BAKALOREA FIHODINANA FAHA-2 : Hatao ny 23 oktobra izao

Ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao no hanatanterahina ny fanadinana bakalorea fihodinana faharoa (na ny 2ème sesssion). Araka izany dia heverina hivoaka ny 19 oktobra izao ny valin’iny fanadinana niteraka savorovoro iny, noho ny fivoahan’ny laza adina mialoha.

Tsy misy ny fepetra, araka izany, fa izay mpiadina rehetra tsy ao anaty lisitra amin’io valim-panadinana io dia afaka miatrika ny fihodinana faha-2 avokoa.
Fantatra izao fa nanomboka ny alatsinainy lasa teo no efa namolavola ny laza adina momba izany ireo mpampianatra tompon’andraikitra.

82 no atao famotorana

Tsy mipetra-potsiny manoloana iny raharaha iny ny fanjakana fa avy hatrany dia nampanao famotorana ny eo anivon’ny zandarimaria.
Koa tompon’andraikitra eo anivon’ny fampianarana miisa 18 no nosamborina hatreto. Ny 11 amin’ireo dia tany Fianarantsoa ary ny 7 ambiny kosa dia tao Imeritsiatosika.

Voalaza ihany anefa fa teto Antananarivo no niainga iny fivoahan’ny laza adina mialoha iny, izay mpianatra mivondrona ao anatin’ny tambajotran-tserasera « Bakalorea 2019 » no nifampizara ka nanaparitaka izany.

Nandritra iny fotoam-panadinana iny ihany moa no efa nisy mpianatra miisa 64 voasambotra, saingy nalefa nanohy ny fanadinany ihany izy ireo aloha tamin’izany.

Mizotra tsara ny Bakalorea teknika

Ny alatsinainy teo kosa no nanombohan’ny fanadinana bakalorea teknika sokajy faha-2 (na 2ème série). Mpiadina miisa 9.696 no miatrika izany hatramin’ny alakamisy izao.
Ny taranja teknika manokana moa no hanadinana ireo taranja teknika sy teknolojia mandritra izay 4 andro izay.

Nitsidika foibem-panadinana telo teto an-drenivohitra ny Minisitra tompon’andraikitra tamin’ny fanombohan’ny fanadinana.

Vous aimerez aussi