Ranivomboahangy Lalanirina. Izy no PDS notendren’ny fanjakana hitantana vonjimaika ny Tanànan’Antsirabe, amin’izao ankatoky ny fifidianana izay ho Ben’ny Tanàna izao. Ny fampandehanana ny raharaha ankapobeny no anisan’ny ho sahaniny vonjimaika eo amin’izany toerana izany. Anisan’izany, ohatra, ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, izay efa tsy nandray izany tao anatin’ny fotoana naharitra. Na izany aza tsy handray ny karama tsy noraisiny hatrizay akory ireo mpiasa, hoy Ramatoa PDS, fa araka izay vola misy eny amin’ny tahirim-bolam-panjakana ihany no azo efaina. Ankoatra izany dia eo ihany koa ny ezaka hatao amin’ny fanalana ny fako efa miangona be manerana ny tanàna. Hafainganina koa ireo taratasy mikasika ny fiankohonana, araka izay fitaovana kely ananana misy ao amin’ny kaominina. Araka ny voalaza manko dia tokana ny « imprimante » misy ao amin’ny toeram-piasana kanefa dia mahatratra 300 mahery isan’andro eo ny fangatahana kopia ao amin’ny kaominina.
Fanodinkodinam-bola
Marihina moa fa nampidirina am-ponja vonjimaika ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe, Paul Razanakolona, rehefa nandalo famotorana teny amin’ny Pôle Anti-Corruption (na ny PAC), ny zomà 18 oktobra 2019 lasa teo .
Noho ny raharaha fanodinkodinana volam-bahoaka tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, no nahavoarohirohy ity Ben’ny Tanànan’i Vakinankaratra ity.
Voalaza fa vola mitentina 2,435 lavitrisa Ariary mahery no tsy dia mazava loatra teo amin’ny fitantanany. Teo ihany koa ny tapakila tsy ara-dalàna nampiasaina tamin’ny haba-tsena sy ny asa tsy hita fototra eo anivon’ny Kaominina kanefa voalaza ho namoaham-bola.
Ireo rehetra ireo moa dia voalaza ho natao nandritra ny taona 2016-2019. Ary efa am-bolana maromaro no nitokona nitaky ny karamany ireo mpiasa ao.
Araka izany dia notanana am-ponja vonjimaika ity Ben’ny Tanàna ity sy ny lefiny voalohany.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

