ANATIROVA : 150 taona ny fanomanana mpitandrina

Fotoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra tao amin’ny Fiangonana Anatirova no nanokafan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) tamim-pomba ofisialy ny faha-150 taonan’ny fanomanana Mpitandrina, io maraina io.

Ny janoary 1869 no niorina voalohany ny toerana fanomanana Mpitandrina, ka tao Anatirova ihany  no nanaovana ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy izany, ny janoary 1870.

Nahazo laka ny fivavahana Protestanta

Nanatrika izany fotoan-dehibe izany ny Mpanjaka Ranavalona II sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, izay nitondra ny Fanjakana tamin’izany.

Nahazo laka ny fivavahana Protestanta tamin’ny androny ary lasa fivavaham-panjakana izany satria natao batisa Protestanta ny Mpanjakavavy. Nodorany avokoa ny sampy ka nosoloany Baiboly.

Tamin’ izany dia nikambana ny Fanjakana sy ny Fiangonana ary teny Anatirova mihitsy no niainga ny fanirahana ny fitoriana ny Filazantsara nataon’ny Fanjakana, teto anivon-tany.

Misy ny hetsika samihafa

Amin’izany taon-jobily lehibe eo amin’ny finoana izany dia hisy ny hetsika samihafa ho karakarain’ny Komitin’ny Jobily, mandritra ity taona 2020 ity. Anisan’izany ny fampisehoana, ny valandresaka, ny fiaraha-misakafo, ny fampirantiana,…

Entanina, araka izany, ny mpianakavin’ny finoana mba hanotrona ny fotoana rehetra amin’izany, satria sady fahalalana no fiaraha-mientana ny hetsika tahaka itony.

Ary na dia efa misaraka aza ankehitriny ny Fanjakana sy ny Fiangonana dia irina hatrany ny fiaraha-miasa.

Vous aimerez aussi