AKADEMIAM-PIRENENA HO AN’NY ZAVAKANTO : Hampivoarana ny artista

Ny hampisongadinana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny kanto. Io no vontoatin’ny fananganana ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto, izay napetraka io maraina io ny vatofehizorony, tetsy Ambohitsorohitra.

Fampianarana sy fampiofanana momba ny zava-kanto amin’ny lafiny rehetra, toy ny hosodoko, ny fanoratana, ny sikotra, ny teatra, ny kabary,…no vontoatin’izao asa izao, ka hatao  ho vovonana hanapariahana ny kanto sy ny kolontsaina rehetra eto amintsika.

Araka izany dia hamokatra olona matihanina ity akademia ity ary hanosika ny kanto malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hampiakatra avo ny lentan’ny zavakanto ananatsika.

Hisy efitra 36

Eo Ambohitsorohitra, mifanatrika amin’ny farihin’Anosy moa no hanorenana ity tranon’ny akademia ity. Fanorenana izay hatsangana mandritra ny herintaona eo.

Hisy ny efitrano lehibe hanaovana fampirantiana sy efitra lehibe hanaovana teatra sy azo anaovana fampisehoana ihany koa. Hahitana efitra miisa 36 ao aminy, izay hatao ho amin’ny fampianarana sy fiofanana ary fandalinana samihafa, toy ny hosodoko, sikotra, sary. Eo koa ny kabary sy hainteny. Ny dihy sy ny teatra. Ny sarimihetsika sy ny sary. Ny hira sy ny mozika. Ny kilalao malagasy, toy ny katro sy fanorona.

Vous aimerez aussi