Nankalazaina ny talata 04 jona 2019 ny faha-93 taona nahaterahan’ny Mpanjakavavin’ny Angletera, Elisabeth II. Tetsy amin’ny masoivohon’ny Royaume Uni Ankorondrano no nanatanterahana izany, izay natrehan’ny olo manan-kaja maro sivily sy miaramila ary ireo masoivoho mipetraka sy monina eto Madagasikara.
Tamin’ny 21 aprily 1926 no teraka tany Mayfair (Londres) ity Mpanjakavavin’I Angletera ity, ary ny 6 febroary 1952 izy no nosalorana izany anaram-boninahitra izany. Efa nanjaka 67 taona ary nahita praiminisitra 14 nifandimby, fitondrana lava indrindra teo amin’ny tantaran’ny Anglisy.
Niavaka tanteraka ny fankalazana tamin’ity taona ity teto Madagasikara, satria nialohavan’ny fampirantiana mikasika ny tontolo iainana ny fotoana izay nahitana ny lohahevitra hoe : « agir pour le développement durable et économique verte à Madagascar ».
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ ny ambasadaoron’I Royaume Uni, Andriamatoa Philip David Boyle, no nilazany fa efa ela no nisian’ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana teo amin’ny firenena malagasy sy ny Royaume Uni ary efa maro ny asa niaraha- nanao. Maniry ny mba hisian’ny fitohizan’ izany fiaraha-miasa izany moa izy.
Tao anatin’ izany ihany koa no nahafahany nitantara ny fifandraisan’ny firenena roa tonta nanomboka tamin’ny faha mpanjaka ka hatramin’izao. Nasiany resaka ihany koa ny mahakasika ny maha sarobidy ny tontolo iainana satria teo an-katoky ny fankalazana ny andro manerantany ny tontolo iainana no nanaovana io lanonana io.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

