Nampahatarin’ny Prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ny sabotsy 1 jona 2019 ny didim-pitondrana laharana 11.132 navoakan’ny minisiteran’ny Ati-tany ny 31 mey 2019 mampiato amin’ny asany an’i Ratsiraka Elisée tsy ho Ben’ny Tanàna intsony. Delegasionina manokana no hitondra ny tanàna manomboka eto ka filohan’izany na PDS, Razafimanana Christain. Filohan’ny mpanolontsain’ny Kaominina ity farany. Dr Celestine Marie Razafiarisoa sy Toto Jean kosa no lefitra voalohany sy ny lefitra faharoa.
Fantatra fa nandefa iraka manokana hanao ny fanadihadiana ara-pitantanana eo anivon’ny Kaominin’i Toamasina ny prezidansa manomboka ny alatsinainy 3 jona, na efa nahavita ny azy aza ny IGE (Inspection Générale de l’État) sy ny ministeran’ny Ati-tany ny volana aprily.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

